Henika

Groupe Ny hiran'ny Fanantenana

Henika


Tsy hay ny tsy hilaza aminao ny fitiavan’ilay Ray
Tsy ny soa sy ny tsara ihany no nomeny ahy
Fa teo ny mangidy nosoloiny mamy
K’izany no mbola hisaorako azy


Henika ny hasoavanao aho Tompo o!
Be ny fitia natolotrao ho ahy
An-taonany maro no nahatsapako f’Ianao tia ahy
Ny voady atao ‘zaho tsy hiala Aminao


Tanatin’ny haizin’indray no nomenao fahazavana
Natoronao ahy koa hoe ity ny lalantsara izory
Tsy sasatr’ianao nanolotrao ilay sandrinao
Ho famonjena ity zanakao


Henika ny hasoavanao aho Tompo o!
Be ny fitia natolotrao ho ahy
An-taonany maro no nahatsapako f’Ianao tia ahy
Ny voady atao ‘zaho tsy hiala Aminao


Henika ny hasoavanao aho Tompo o!
Be ny fitia natolotrao ho ahy
An-taonany maro no nahatsapako f’Ianao tia ahy
Ny voady atao ‘zaho tsy hiala Aminao


Zaho tsy hiala Aminao
Zaho tsy hiala Aminao


·