HENIKA

TSIARO

HENIKA


Na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana dia asainao izahay
Hampiseho fa mpanompnao foana amin’izay ataonay
Miatrika izay eo noloana noho Ianao Fanahy
Ou ou ou hou, Hanalavitra ahiahy


Mifanesy ireo tefy ho arofanina
Tsy hamefy fa handrefy ny tokony homanina
Ka na tomefy, tsy mety lefy ny mahavalalanina
Ilay foko jefy hanaiky ho resy hiova adisanina


Henika aho,
heniky ny fitiavanao
Ry be fitia, tsy mba mandao
Hatramin’izay ka hatramin’izao
Manenika ahy ny fahasoavanao
Ry Ray Mpihahy, tsy mba mandao
Hatramin’izay inoako fa ho mandrakizay


Interlude…


Miendrika irony sary miaina ao an-tsaina
Ilay tantarako fony aho taloha diso nandrandraina
Toa ny tsy ambony no nantenaina sy nolalaina
Aotra avokoa tsy namoka-tsoa, izay mba nokasaina


Nitohy ilay sary miaina, indro aho notrotroinao
Izay no setrin’ny eniko tamin’ny antsonao
Tonga zaridaina, ny amiko namboarinao
Koa tsy maintsy hoiraiko ny hoe Henika aho noho ny asanao


Henika aho,
heniky ny fitiavanao
Ry be fitia, tsy mba mandao
Hatramin’izay ka hatramin’izao
Manenika ahy ny fahasoavanao
Ry Ray Mpihahy, tsy mba mandao
Hatramin’izay inoako fa ho mandrakizay


Henika aho…,
heniky ny fitiavanao
Ry be fitia, tsy mba mandao (Henika aho…)
Hatramin’izay ka hatramin’izao
Henika aho…,
Manenika ahy ny fahasoavanao
Ry Ray Mpihahy, tsy mba mandao (Henika aho…)
Hatramin’izay inoako fa ho mandrakizay


Interlude…


Henika aho,
heniky ny fitiavanao
Ry be fitia, tsy mba mandao
Ou ouh ouh hou hou hou hou ouh ouh
Manenika ahy ny fahasoavanao
Ry Ray Mpihahy, tsy mba mandao
Hatrmin’izay inoako fa ho mandrakizay
(Ou ouh ouh hou hou hou hou ouh ouh)


·