HE TONGA NY MPAMONJY

Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna

HE TONGA NY MPAMONJY


Mifalia, mihobia
Fa efa tonga ilay Mesia
Zanakin’ny avo indrindra
Zanak’Andriamanitra
Tonga izy mba hamonjy
Ireo izay very sy nania
Famonjena tsy vidiana ho antsika olony


Refrain:
Efa lera izao
Lehilahy: Jesoa Kristy miantso anao
Aza manamafy fo fa tiany ianao
Manombok’izao
Lehilahy: Tano ny finoanao
Fa nomena ny Fanahy mahery ianao


Androm-pifaliana, oo! Izao noely izao
Ka hirao sy lazao ny famonjena azonao
Hira fihobiana, oo! No manako izao
Ka asandrato mafy ho ren’izao rehetra izao
Oo! Oo!….
Aza manamafy fo fa tiany iany
Oo! Oo!…
Fa nomena ny Fanahy mahery ianao
Oo! Oo!…
Ilay Mesia mpamonjy no teraka ao amponao
Oo! Oo!..
Tano mafy ilay finoana ao aminao ×3


·