HE TONGA INDRAY

Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna

HE TONGA INDRAY


He tonga indray ilay andro soa
Ilay andro iray tiako tokoa
Fa teraka ho olona
Jesosy zanak’Andriamanitra
(Jesosy Andriamanitra)


Refrain:
Ry mino ô! Andeha re hankalaza
Fa ho anao ny soa atolony
Ny lanitra nentin’i Jeso zaza
No lovanao iraisana aminy
Mifalia sy mihobia izao
Fa mpamonjy teraka ho anao


Tanaty sasak’alim-be
Sy torimaso lalina e
No indro fa miposaka
Ilay hazavana soa mamiratra
(Mazava soa mamiratra)


Refrain:
Ry mino ô ! Andeha re hankalaza…


Injao manakoako hoe
Ny feon’anjely marobe
Misokatra ny lanitra
Mitory fa mesia no teraka
(Mesia mesia no teraka)


·