HE! MAHAGAGA

AMPIZIFA

HE! MAHAGAGA


He! Mahagaga, tsy taka-tsaina
Ny herinao Ray tsy hay tohaina
Maneran-tany sy ny tontolo
Dia samy hahatsapana ny hasoavanao


He! Mahagaga, tsy taka-tsaina
Ny herinao Ray tsy hay tohaina
Maneran-tany sy ny tontolo
Dia samy hahatsapana ny hasoavanao


Haleloia, Hosana no hasandratray
Haleloia, Hosana ho Anao ry Ray
Satria tena soa raha ny asanao Mpamonjy tia ô!
Misaotra Anao izahay
Haleloia, Hosana no ventesinay
Hanambaranay fa tsara Ianao


Haleloia, Hosana no hasandratray
Haleloia, Hosana ho Anao ry Ray
Satria tena soa raha ny asanao Mpamonjy tia ô!
Misaotra Anao izahay
Haleloia, Hosana no ventesinay
Hanambaranay fa tsara Ianao


Na fahefana, na fanjakana,
Ry Tomponay ô! an-tànanao
Tsy misy mihitsy ny toa Anao
Ry Avo indrindra, Mahery Ianao


Na fahefana, na fanjakana,
Ry Tomponay ô! an-tànanao
Tsy misy mihitsy ny toa Anao
Ry Avo indrindra, Mahery Ianao


Tsy misy maharombaka ny an-tànanao
Raha manaiky izahay ny ho tàntananao
Satria Ianao dia tsy mahafoy anay
Fa manatsotra ny sandrinao aminay
Ka Haleloia, Hosana no ventesinay
Hanambaranay fa tsara Ianao


Tsy misy maharombaka ny an-tànanao
Raha manaiky izahay ny ho tàntananao
Satria Ianao dia tsy mahafoy anay
Fa manatsotra ny sandrinao aminay
Ka Haleloia, Hosana no ventesinay
Hanambaranay fa tsara Ianao


Ka dera, laza, sy hery, haja
No hira ventesinay ry Tompo ô!
No hira ventesinay ry Tompo ô!


AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)


·