HE FANTATRO

Ampifafi

HE FANTATRO


He ! fantatro izay inoako dia i Jeso
Ka fantatro ny fizahan-toetranao
Na mafy aza dia tsapako tokoa
Fitiavana, Fitiavanao ahy


Nilaozanao ny lapasoan’ny lanitra
Nafoinao ny ainao ho fanavotana
Narotsakao, ny Fanahy Masina
Fitiavana, Fitiavanao ahy


Ny ranomasoko nilatsaka izao
Nibanjina ilay hazo fijalianao
Na mafy aza dia tsapako tokoa
Fitiavana, Fitiavanao ahy


Hatsangako ny tanako hankalaza Anao
Hasandratro ny feoko hidera Anao
Ny foko feno fahatsapana lalina
Fitiavana, Fitiavanao ahy


Ataoko ahoana no filaza Aminao
Fa ny ato am-poko feno fitiavana
Moa ve Jeso, mba mendrika ho Anao ahy
Fitiavana, Fitiavako Anao


·