HAY IANAO

Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ)

HAY IANAO


HAY IANAO - FEO MAHAFALY NY ZIONA


Raha mandinika ny lasa rehetra aho
Hay Ianao Tompo no niaro ahy
Fa tsy ny herin’ny saiko tamin’ny fakampanahy
tsy foiko na koa adinoko izany
kentiko mankalaza manandratra Anao


Raha mandinika ny lasa rehetra aho
Hay Ianao no indro nitarika ahy
Ka raha sendra fahavalo ; tafavoaka nandresy
Tsaroako tsy mba hadinoko izany
Kentiko mankalaza manandratra Anao


Tsara Jeso tsara noho ny tsara
Ampy ho ahy ireo soa maro arotsany isan’andro
Mahery koa Mpanjakan’ny mpanjaka
Tsy misy tsy hainy ninoninon’izany


Raha mandinika ny mety ho avy aho
Dia Ianao no ho Mpitarika ahy
Ka raha sendra fahavalo tafavoaka handresy
Tsaroviko ; tsy hohadinoiko izany
Kentiko mankalaza ny Anaranao Masina ×2


T : Herizo RAVELOSON / F : Fenosoa RAVELOSON
N : Leonard Desiré


FMZ


·