Havaozy ry Tompo ( hira faneva 150taona FJKM Ambohimamory)
Oriela Maintimolaly FJKM Ambohimamory
Havaozy ry Tompo ( hira faneva 150taona FJKM Ambohimamory)
1-Midera Anao izahay izao ry Ray
Fa tratr’izao taon-jobily izao
Raiso re izany saotra aterinay
Ho Anao ry Tompo oh!
Ekeo ho Anao Ray oh!
2- Atolotray ny tenanay izao
Hanao izay sitrakao ry Tompo
Ho voninahitry ny Anaranao
Hanetry tena sy hanompo
3- Omeo hery ny mpanomponao
Hanavao ny fifankatiavanay
Ka hanatanteraka ny asanao
Ho orim_batonao mandrakizay
ref: Havaozy Tompo ny fiangonanao
Hifankatia sy hiasa ho Anao
Ny fanoloran-tena ataonay
Ho hanitra ankasitrahanao