Havaoziko ny ENY

AmbondronA

Havaoziko ny ENY


Na dia fantatro aza fa
Efa any aminao any
Ity fitia nolalaina nifampizarana


Dia…
Indro hamafisiko indray
Ho an’ny ampitso, rahatrizay
Hamoa izay novolena, ho koloina ny efa nekena
Tsy an-tery ny ahy fa feo sy bitsiky ny fo
Hanome aina indray, hamoha ny soa taloha


Havaoziko ny ‘’ENY’’, izay notànako
Ampiako ny teny, ef’iny ny foko
Omeko mangina, haharitra hatrany
Fitia : ‘’nifaliana, ndraindray tomany’’


Izay vita no tantara
Ny ahy iriko tsy hisy fara
Fa mbola hitohy, tsy hifankafohy


Dia…
Toa ireny vao miandoha
Isan’andro isan’ora
No anehoko fitia, na maraina na ny hariva


Manina foana malahelo, te hifanila hatrany
tsy hangatsiaka irery hilaozan’hafanana


Notanako ny teny, ny foko efa nomeko… Havaoziko ny ‘’ENY’’


·