Hatokako ho anao

Chorale MIANTSA Ambalavao

Hatokako ho anao


1- Indro ny feonay ry Tompo, mihira miantso anao,
Fa miandrandra fanampiana avy aminao.
Ampianaro hizara fifaliana ho an’ireo namana,
Hamafa ny fahoriana.


2- Tena fikasako tokoa ny hanompoana anao
Amin’ny asako isanandro, nefa
Mbola resin’ny fakam-panahy
ka inty aho mitalaho, mba tafio ny herinao.


3- Ao anatin’ny mangidy ny fiainanay ety,
Feno ady sy tomany mafy,
Nefa kosa mbola manantena
Fiainam-baovao mirana mandrakizay.


Ref:
Fa ny fitiavano tsisy fetrany,
indro ny foko ka idiro, anjakao.
Hatokako ho anao ny fianako tontolo,
mba raiso na tsy mendrika aza.


A/C: Francis Odet RAMAMONJISOA


·