Hasambarana ery

Melky

Hasambarana ery


Fahazaza mbola kely
Kilalao tao an-doha
Falifaly miramiran’ery zany fo e
Fahitan’ireto zaza kilalao maro be
Tsy mahatsiaro hanohanana fa ravo tokoa e


Ny fahazazako, hasambarana ery
Tsy miasa saina, fa be fialam-boly
Ny fahazazako, hasambarana ery
Tsy miasa saina, fa be fialam-boly


Raha mitombo ny taona
Tonga ny hatanoràko
Dia mitombo ny saina, lasa lavitra tokoa
Fahitan’ireto masoko akanga maro be
Fahatsapan’ hatanoràna fakampanahy


Ny hatanorako, asa saina ho ahy
Raha mitombo ny saina, fakam-panahy
Ny hatanorako, asa saina ho ahy
Raha mitombo ny taona, fakam-panahy


Zany ny fiainana
zany no iainana
Mitombo ny taona e
Miamatotra foana


Mitazana sisa
Toa ny maro efa vita
Tsy maintsy lalovan’izany
Na iza na iza


·