Harintananao

Antsan'i Fenomanana

Harintananao


Réf: Ray ô midera anao izahay E
Mankasitraka, mankatelina noho Ireo soa izay nafafinao ho ah
Ray ô mihoby ny hasinao
Tsy ho takatry ny saina akory ny halehiben’ny fitiavanao ah


Izao tontolo izao harintananao
Ka ny lahatrao no mandrindra izay ho fiainanay
Aina avy aminao no hivelomanay
Endrikao izahay, manantena ny ho eo anilanao
Ampianaro aho hahalala ny fara-fitiavanao
Mba hizara hafaliana amin’izao tontolo izao (×2)
Réf: …


Fa ny teninao no iainanay
Mankahery ny saina, ny fo sy fanahy mahazanaka
Ka ny tenanao mampiray anay
Vatana iray ao aminao noho ny herinao
Ampianaro aho hahalala ny fara-fitiavanao
Mba hizara hafaliana amin’izao tontolo izao
Réf: …


Antsan’i Fenomanana


·