(H)Arendrina taratasy

Niu Raza

(H)Arendrina taratasy


(H)Arendrina taratasy


Mba tadidinao ve ilay lalana
Falehantsika Mandeha sekoly
Teo tsika ilay mampiaraka
Mialohan’ny tsy maintsy mody


Harivariva mody masoandro
Masoandron’ Antananarivo
Ianao ilay zatra manatitra ahy
Tsy adinoko …


Tsiaro tsiaro ihany ireo tsy azo afangaro
Misento sisa aho raha mba sendra mahatsiaro …


Fa toy ny harendrina taratasy ô
Isika sy anao efa may may
May may …
Satria harendrina taratasy ô
Isika sy ianao efa may may
May may …


Mba tadidinao ve ilay fiainana
Ilay isika roa manenjika busy
Hijanona eo mahamasina
Rehefa tsena eo ny alakamisy


Harivariva mody masoandro
Masoandron’ Antananarivo
Ianao ilay zatra manatitra ahy
Tsy adinoko …


Tsiaro tsiaro ihany ireo tsy azo afangaro
Misento sisa aho raha mba senda mahatsiaro


Fa toy ny harendrina taratasy ô
Isika sy anao efa may may
May may …
Satria harendrina taratasy ô
Isika sy ianao efa may may
May may …


Source : Fragg Rzfrsn


·