HARENA TSY VOLA (FID)

Dama

HARENA TSY VOLA (FID)


Misy harena tsy vola re olona e
Fa tsy notrandrahana avy @ tany
Misy harena tsy vola re olona e
Fa notrandrahana , avy ao ampon ’ olombelona ihany


Misy harena tsy vola re olona e
Ifampizarana , vao maika mitombo hatrany
Misy harena tsy vola re olona e
Isika mifampitsinjo , no manana an’izany


Tsy mampisy ory hava-manana
Tsy mampisy ambony sy ambany
Samy mitondra ny eo ampelan-tanana
Raharaha ikambanana , no atao eto androany
Ataon-tsika androany


REF :: ( Fa io ny FID ),
Io ny FID e
Efa nisafidy e
Ilay harena tsy azo amidy
Nataony fanalahidy
Hitsinjovana ny lehibe , sy ny ankizy .


        Io ny FID e 

Efa nisafidy e
Ilay harena tena izy
Nataony fanalahidy
Ny fiahiana mpiara-belona ,
F ' izay ilay izy .

Misy harena tsy vola re olona e
Izay mampitraka , ireo latsaka ambany
Misy harena tsy vola re olona e
Ny asa avotra , no manala @ sarotra


Misy harena tsy vola re olona e

ialana @ zany , farahidiny izany
Misy harena tsy vola re olona e
Vatsin’Ankohonana , no ala-olana


Ny rivo-doza sy ny tondra-drano
Mandrava efa , mampiditra angano

Atao tana-maro ny fanarenana
Ny FID tsangam-bato

Tsy mandalo miserana ,
Tsy mandalo miserana


REF :: ( Fa io ny FID ),
Io ny FID eeee
Efa nisafidy e
Ilay harena tsy azo amidy
Nataony fanalahidy
Hitsinjovana ny lehibe , sy ny ankizy .


        Io ny FID eeee 

Efa nisafidy e
lay harena tena izy
Nataony fanalahidy
Ny fiahiana mpiara-belona
F ' izay ilay izy .



Nataony fanala hidy
Ny fiahiana mpiara-belona
F'izay ilay izy

·