HAODY RY SAKAIZA
Feo Mahafaly ny Ziona (FMZ)
HAODY RY SAKAIZA
HAODY RY SAKAIZA - FEO MAHAFALY NY ZIONA
Indro fa mandondona ao am-po (am-ponao ao)
Jeso Tompo ka vohay varavarana (vohay)
Hikasa sy hila fihavanana toy ny ray sy zanaka
Mifamatotra ao am-po.
(solo 1) Izaho ange nandritr’izay ela izay
Tsy ta hafantatra Azy akory
Tsy mendrik’izany aho angamba
Asa re na minia ny ho jamba
Aoka ihany hitoetra ho toy izao
(solo 2) Ho haiko ve ny hanao izay sitrany
Handà izao tontolo izao
De ho hafoiko ho toy izany koa
Ireo rehetra nanarako fo
Aoka ihany hitoetra ho toy izao
(duo) Nefa raha sitraky ny Ray tokoa
Ny hahatonga ahy ho mpankato
Ekeko fa hainy avokoa ny hanao izay mahasoa
Ka hanavaozany indray ity tenako
(solo) Sitraky ny Ray ; Sitraky ny Ray ; Sitraky ny Ray
(chœur) Ny hahatonga ahy ho mpankato
T&F : RAVELOSON HERILALAINA
FMZ