Hanompo Anao
Tanora Masina Itaosy
Hanompo Anao
Zao no voady mitoetra ato am-poko ‘ry Tompo
Hanompo Anao hatrany hatrany
N’inon’inona fomban’ny tany
(N’inona inona mihatra eto an-tany) (Ny faho-)
Ny fahoriana sy ny ady tsy maintsy hijoroako
Dia làlana mandeha mankany
Ianao no mandahatra izany
Fiverenana :
Hanompo ANAO mandram-pialan’izato fofon’aiko
Amin’ny foko sy ny saiko
Hanompo Anao na dia maro aza ny olana ry Raiko
Ka ny hivily tsy mba ho haiko
Vonona aho ny hanompo Anao hatram’izao
F’efa izay ‘lay fifanekena (ka tano aho)
Mba hijoro tsy hivena
Ampianaro hatrany izahay ‘ry Fanahy ô!
Fa ny fanompoana Anao dia masina fa tsy lalao
(Masina loatra fa tsy kilalao) (Ary aza)
Aza avela ny rehak’izao hita izao
No hanjak’ao anatiko ao
Fa tano aho hanarak’Anao
Fiverenana : Hanompo ANAO mandram-pialan’izato fofon’aiko… (×2)