HANOMPO ANAO

Kanton'ny Fanantenana - FLM Toby Fanantenana 67Ha

HANOMPO ANAO


HANOMPO ANAO
Na dia mbola kely aza aho
Dia nitsotra ho ahy ny tananao
Nintantana ahy, nitari-dalana ahy
Raha ny ditraditrako indraindray,
Sazy avy Aminao no mendrika ahy,
Ny indra-fo nomenao Ray Tsitoha


Ny androko rehetra
Ho Anao tsy misy fetra
Afoiko manontolo
Ho Anao Jesosy Tompo !
Ny hira fiderako,
Ny fiainam-panompoako
Ho Anao tokoa Ry Ray
Ary ho mandrakizay
Mba ekeo Jesosy Tompo o !
Ny hetaheta sy ny faniriana
Miantso Anao ‘ty zandrikelinao !
Ny ankohonana izay misy anay
Dada sy i Neny, Zoky zandrinay
Mba ho isan’ny handova fiainana mandrakizay !


Hanompo Anao ! Hihira ho Anao ! MANDRAKIZAY !
A/C : JàJà
©Kanton’ny Fanantenana


·