HANKALAZA NY ANARAN'ANDRIAMANITRA
Chorale Antsan' Ivontovorona
HANKALAZA NY ANARAN’ANDRIAMANITRA
Ray ô, hitory anao no adidiko
na mafy ny jioga hoentiko;
Raha toa ka anaty sarotra aho,
ny famonjenao hanandratra ahy.
Aminao izahay fa tsy mba irery,
nasandratrao hatramin’izao;
Ka mba ho voninahitrao irery
ny hiranay hiderana Anao.
Ampanjakao ao am-po tokoa,
iaino ny fitiavany;
Mankalaza ny voninahiny
ho fiderana azy, Tompo.
fIV:
Hankalaza ny anaran ‘Andriamanitra
Amin’ny Fihirana aho,
Hanandratra Azy koa,
Hanandratra amin’ny fisaorana
A/C: Francis Odet RAMAMONJISOA (Août 2016)