Hanina ny taniko
Mbola Talenta
Hanina ny taniko
Manina anao aho ry tany malala tsy foiko
Lay tany fihaviako any ambadiky ny tsy tazako
Ka ny embona injao mitambesatra anatin’ny foko
Tomany fa mahatsiaro anao lay tanindrazako
Ref :
Manina e! Mahatsiaro aho e!
Ny anaranao no eo am-bavako
Manina e! Ka manembona e!
Asandratro ho anao isan’andro ny tonombavako
Raha ny alaheloko anao zao no ho fongariko
Tsy ampy anoratako izany ny tononkirako
Fa ny aingam-panahy ao anatiko no ampiakariko
Hanotra hira ho anao lay Gasikarako