Handravaka ahy

RAMIAN

Handravaka ahy


1.Asa ianao any raha mahita tsara ho ahy
Meva sy tsotra malefaka mahababo fanahy
Manjavona ny andro rehefa irery ka mila fitia
Latsaka an-tery manembona foana mihira ho an-dri!


Bridge:
Mbola tsy haiko hoe iza ianao ilay amboara mendrika ho ahy
Hitondra ilay tsikitsikinao am-babo ity foko tsy hanahy.
Ametraka tanjona lavitra ho fitia mandrakizay!
Ny dinantsika tsy hifandao fa ambany fiarovan’i Ray!


Refrain:
Fa mino aho eh,
Fa ilay fitia omenao ahy!
Tsy ho diso eh,
Raha anolotra ny foko ho anao!
Handravaka ilay tokan-tranoko ianao
Ka amerimberina,hoe tiako ianao!


2.Voninkazo mamelana hitondra fiainam-baovao
Miangolangola tsara firindra!
Miavaka ianao, tsy hoe be filaza fa hamakivaky izao rehetra izao ho anao!
Mba valio aho! Raha mahare ianao!


Bridge:
Mbola tsy haiko hoe iza ianao ilay amboara mendrika ho ahy
Hitondra ilay tsikitsikinao am-babo ity foko tsy hanahy.
Ametraka tanjona lavitra ho fitia mandrakizay!
Ny dinantsika tsy hifandao fa ambany fiarovan’i Ray!


Refrain:
Fa mino aho eh,
Fa ilay fitia omenao ahy!
Tsy ho diso eh,
Raha anolotra ny foko ho anao!
Handravaka ilay tokan-tranoko ianao
Ka amerimberina,hoe tiako ianao!
Fa mino aho eh,
Fa ilay fitia omenao ahy!
Tsy ho diso eh,
Raha anolotra ny foko ho anao!
Handravaka ilay tokan-tranoko ianao
Ka amerimberina, tiako ianao!


·