Handeha hihoby

Tarika Miantefa

Handeha hihoby


Handeha hihoby ilay Nahary
Handeha hanandra-peo izao
Haneho ilay hika falifaly
Fa misy vonjy ho ahy sy ho anao


Handeha hihoby ilay Nahary
Handeha hanandra-peo izao
Haneho ilay hika falifaly
Fa misy vonjy ho ahy sy ho anao


Endrey ny asam-pamonjena
Nataon’ny Tompo Jesoa tia
Izay tambin’ny ota sesehena
Noravany tam-pitia
Teo amin’ny hazo fijaliana eee!
Niaretany sazy mahamay
Maty Izy noho ny helontsika
Fa tafatsangana indray


ka ’ndeha hihoby ilay Nahary
Hanandra-piderana izao
Hihira hira falifaly
Fa misy vonjy ho ahy sy ho anao


Endrey izao asam-pamonjena
Nataon’ny Tompo antsika izao
Jesoa anie ka nanetry tena
Tsy hahavery ahy sy ianao
Ka dia natsangany aho hijoro
Ho olom-baovao indray
Ilay fiainan’ota voasolo
Fiainana mandrakizay


Asandrato re ny feo
Fa ny Tompo tia anao ho eo aminy eo
Raha mibebaka tokoa
Dia horaisiny ka hotafiany soa


Fa katsaho aloha ny Fanjakan’ny lanitra
Izay no antoka ho anao
Raha maniry fiainan-tsambatra, finaritra
Tonga olom-baovao


Koa katsaho ny Fanjakan’Andriamanitra
Izay no antoka ho anao
Fa fiainan-tsambatra sy mahafinaritra
Ho an’ny olom-baovao….


ka ’ndeha hihoby ilay Nahary
Handeha hanandra-peo izao
Haneho ilay hika falifaly
Fa misy vonjy ho ahy sy ho anao


ka ’ndeha hihoby ilay Nahary
Handeha hanandra-peo izao
Haneho ilay hika falifaly
Fa misy vonjy ho ahy sy ho anao…


·