Hanano Lakôpy

Lolo sy ny tariny

Hanano Lakôpy


Fa nisy ny tanàna nilaozan-dehilahy
Ka olo-lava volo sisa
Fa nisy ny tanàna nilaozan-dehilahy
Ka olo-lava nono sisa


Indray maraina izay
Nisy olo-marobe nisatro-kolonialy
Indray maraina izay
Nanapaka raketa hanaovana ny tady


(Izao ny vadinay
Mianavaratra any mikandra siramamy)bis


Hanano lakôpy
Rehefa mody hitondra drala
Hanano lakôpy
Rehefa mody hameno vala


Fa nisy lehilahy ndeha hody any an-tanàna
Niasa ora maro izy
Ny vola azony nikasaoka maromaro
Fa nikorintsana no sisa


Ny vatany amin’izay
Navesatra tavoahangy rôma Djamandzar
Ny vadiny taty nihafy tsy nitafy
Nijaly namanara


Ny omby tao ambala
An’ny Fanjakana nandoavana latety
Sendra ny vady adala
Mivadika atidoha vady tia fety


Hanano lakôpy
Rehefa nody tsy nisy drala
Hanano lakôpy
Ka nidify ny vady adala


·