Hanandratra fitia

Fafah Mitia

Hanandratra fitia


Matoa mbola tiako ianao
Dia tsotra fotsiny ihany
Ny fitia tsy kilalao
Fa ho doria ety an-tany


Fa iza tamin-tsika roa
No tsy diso teto an-tany
Ao ilay Ray tsitoha
Izy no mahalala izany


Ref:Koa manomboka izao
Ndeha isika hiara-dia
Ka izao sy ianao
Hanandratra fitia
Avalony amin’izay
Ireo adiady disadisa
Fitia no aleo hifandray
Toy ny masoandro mibaliaka


Raha toa malahelo ianao
Dia lazao amiko
Fa ataoko izay hahafaly anao
Raha mbola tratry ny heriko


Raha toa ka misy fakam-panahy
Te handrava fitia
Esory hatreo ny ahiahy
Fa ny antsika ho doria


Mpihira:Fafah(pazzapa)
Toniny:Lola


·