HANANDRATRA ANAO

GALAF

HANANDRATRA ANAO


Hanandratra Anao aho Tompo ô
Sy hankalaza ny Anaranao
Na mafy aza ny adiko ety
Tsy mba ho kivy aho.


       Fa eo Ianao lay mpamonjiko

Mampahery sy miaro ahy
Manoro sy mananatra koa
Ka manome ny soa.

Tsy mba miova e! Tsy mba mandao
Fa eo anilako foana Ianao
Ka na ny mora na sarotra
Tokiko hatrany Ianao.


  Tsy misy ataoko ho rehareha

Afa tsy ny fiderana Anao
Ka na mitoetra aho na mandeha
Dia hanandratra Anao

Tsy misy hitokiako afa tsy Ianao ihany
Izao rehetr’izao samy mandalo avokoa
Mitoera ato am-poko mba hiderako Anao
Tanako tsy soloiko Ianao mandrakizay.


       Hanandratra Anao aho Tompo ô

Satriko fona e! hidera Anao
Hitory hatrany ny Anaranao
Sy ny fitiavanao.

Ka ny andro rehetr’omenao ahy
Atokako hanompoana Anao
Hanaovako izay sitrakao
Ho mendrika aho ho anao.


         Sambatra aho tena sambatra 

Manana anjara ao Aminao
Feno hafaliana henika soa
Ny eo anilanao.

Tazony mafy aho hifikitra
Ka tsy hiala an-tratranao
Fa maro anie ireo mpanenjika
Mitady haningotra ahy
Tsy misy hitokiako…..


·