HANAIKY ANAO

AFA Choir ( Antsa Fanantenana Ambatotsidikaina)

HANAIKY ANAO



  1. Ny rofy sy ny aretina sitraniny
    Ny maty tany am-pasana natsangany
    Izay manaiky fa maloto dioviny
    Raha hoe FITIAVANA ilainao ananany


Nanaiky nampangininy ny rivotra
Ny fanahy ratsy nahita Azy, nangovitra
Ny fahefana rehetra am-pelatanany
Na fasana nihazona Azy afany


REF :
Tompo ô, tsy mendrika hidiranao
Ao ambany tafotranoko aho e,
Ampianaro aho hitia Anao Jesosy ô
Ny anatiko ao ovay ho fo vaovao
HANAIKY ANAO



  1. F’izaho kosa de mpanota rendrika
    Tena maloto am-poko ao tsy mendrika
    Ny tananao no antenaiko hanafaka ahy
    Anio aho hanoa Anao fa tena fay


REF :
Tompo ô, tsy mendrika hidiranao
Ao ambany tafotranoko aho e,
Ampianaro aho hitia Anao Jesosy ô
Ny anatiko ao ovay ho fo vaovao
HANAIKY ANAO
( x2 )


·