Hampiadam-po ny olony

Tianasoa Razafindrabary

Hampiadam-po ny olony


Kanto loatra ny Andriamanitro
Nampisokatra ny masoko
Fitahiana foana no natolony
Ampiadam-po ny olony


Masoandro baliaka manazava ny tontolo
Sy ny voahary rehetra manotolo
Volana aman-kintana mamirapiratra
‘Reo rehetra ireo natolony
Ampiadam-po ny olony


Be indrafo ny Andriamanitro
‘Lay nanafaka ny tahotro
Fahasoavan-tsy ritra no natolony
Ampiadam-po ny olony


Zanany ’lay tokany nirahiny ho ety
‘Lay nohomboina tao calvary
Niharitra ny mafy mba hisolo ny heloko

Ny ainy mihintsy no natolony
Ampiadam-po ny olony


Tiako, tena tiako
Tsy foiko ny Andriamanitro
Tiako, tena tiako
Kanto loatra ny Andriamanitro


·