HAMPANJAKA FIADANANA

Chorale Antsan' Ivontovorona

HAMPANJAKA FIADANANA


1-Ireo mankahala homeko fitiavana;
Ny nanaovan-dratsy hampiako hahay hamela;
Ny miadiady homeko fihavanana;
Izay diso hevitra homeko ny marina.


2-Ny misalasala homeko finoana;
Ny mamoy fo homeko fanantenana;
Ny anaty haizaina homeko fahazavana;
Ireo malahelo homeko hafaliana.


3-Tsy halàna alahelo no tadiaviko,
fa ny mba hahaizako hanala alahelo;
Tsy ny ho henoina fa hihaino olona;
Ary tsy ho tiavina fa mba hahay hitia.


4-Izay manome no tena mandray;
Ny mamela heloka, ho voavela heloka;
Izay mahafoy ny ainy, hahavonjy ny ainy,
hitsangan-ko velona mandrakizay.


Fiv:
Inty raiso aho Tompo ô,
hampanjaka ilay fiadanana avy aminao:
Hanjaka amin’izao tontolo izao,
amin’ny olona rehetra


Nalaina tamin’ny Vavak’i Md François d’ Assise
A/C: Francis Odet RAMAMONJISOA (Janvier 2019)


·