Hampandresy ahy

APFM - Amboaram-Peo Feon'ny Miantso

Hampandresy ahy


1- Tario lalana aho fa mitady ho very
Tohano hiakatra aza avela irery
Kristy ô, omeo ahy ny hery
Ahafahako mandresy ireo fankam-panahy
Ho mpiaro ahy sy ho mpitari-dalana ahy


2- Ampio ny tananao hampiarina ahy
Ilay hazavana tsy hampatahotra ahy
Jesoa ô, Ianao ilay teny tsy mivadika
Hampahery ahy, sy hampandresy ahy


Fiverenana:
Iny lalana iny anie ka feno fandrika
Ny onja mafy be ka mora rendrika
Ianao sisa fiankinako Jesoa ô
Ka aza mandao na aiza na aiza misy ahy


APFM - STK Filadelfia
A/C: RABENARIVO Eric


·