Hamasino
Akon'ny Lanitra Ambohidratrimo
Hamasino
Izao fotoana izao fotoana miavaka
Zay hiantsoanay Anao
Ry Ray Malalanay zay any an-danitra
Tongava eto re hianao
Ka hamasino anio ireto olon-droa
Ireto nofo roa zay mifanaiky am-po
Refrain: Zao no vavakay (Ry Ray)
Zay hasandratray (anio) @izao ora izao
Mitoera eto (Ianao) hamasino (ho Anao)
Zao fanambadiana izao
Ka ho feno fiadanana, hasambarana
Eo Anilanao
Ho tokantrano ambinina, tsy hisaraka
Hanjakanao, hamasino ho Anao
Ianao anie hijery, Ianao anie hitsinjo
Ny fiainan’izy ireo ry Ray
Fenoy fifaliana (fifaliana) na inona hanjo
Omeo azy ireo ny soa
Ka hamasino anio ireto olon-droa
Ireto nofo roa zay mifanaiky am-po
A/C: Rizia Rbrl