HALELOIA

Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro

HALELOIA



  1. Andriamanitra รด, misaotra Anao
    Izahay mivory eto izao
    Ka asandratray ny Anaranao
    Ary koa ny voninahitrao
    Fa mahery sy Tompo tsara Ianao
    Tsy mba misy toa Anao
    Fa nanota Taminao tokoa
    Nefa kosa namindranao fo


REF:
HALELOIA, Voninahitra anie
HALELOIA, Ho anao Mpanjaka lehibe
HALELOIA, Mankalaza Anao ‘zahay
Raiso mba ho voninahitrao
Izao hira fiderana izao



  1. Izahay mijoro eto izao
    Dia mitory ny Anaranao
    Ka mangataka ny Herinao
    arotsahy aty anatinay
    Fa Mahery sy Tompo tsara Ianao
    Tsy mba misy toa Anao
    Fa raha miaraka Aminao ‘zahay
    Tsy mba misy zava-mampanahy


REF:
HALELOIA, Voninahitra anie
HALELOIA, Ho anao Mpanjaka lehibe
HALELOIA, Mankalaza Anao ‘zahay
Raiso mba ho voninahitrao
Izao hira fiderana izao


A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO


·