Hajaiko Foana

Vanintsoa

Hajaiko Foana


Malala o! ooo tiko a!
Dina nifanaovana ny antsika roa ka hajaiko a
Tsy foiko o! ooo za manaiky ah
Fa lahatra sy anjara izao fiarahan-tsika izao a


Fantatro fa ho sarotra ny lalana ka
Mety ho betsaka ireo sakantsakana e!
Te hamingana an-tsika ho solafaka e!
Nefa isika efa mifankatia
Hanaja ny fitia mba ho doridoria
Dia hiadam-pinaritra ian-tokantrano e
Ny Tompo no hitsinjo.., hitsinjo ny akany e
ooo malalako o!
Halalalalalalalalala


Malala o…. raha misy ny adiady a
Dia tsy atao am-po ny disadisan-tsika roa fa tsy tsara e!
Hoentin-tsika moramora eny akia fa lavitra ny dia
Hokoloin-tsika hatrany sy laroina teny mamy a


Fantatro fa ho sarotra ny lalana ka
Mety ho betsaka ireo sakantsakana e!
Te hamingana an-tsika ho solafaka e!
Nefa isika efa mifampatoky
Hanaja ny fitia tsy ho voahosihosy
Dia hiadam-pinaritra ian-tokatrano e!
Ny Tompo no hitsinjo…. hitsinjo ny akany e!
ooo malalako o!
Halalalalalalalalalala


Rorororo rorororo rorororo
roro rorororo rorororo
ro ro rororororororo


·