Hainao

Mirado

Hainao


Hainao fa tsy mahatohitra aho
Tianao ny mandrangitra ahy
Hainao ve? Fa tiako anie ’lay molotrao
Hainao ny mamilafila ahy


Vao nandramako dia nambabo ahy
Afo no miredareda ao am-poko ao
Mamy toa tantely, Mahay…
Avia akaikiko indray


Ref : Dia horohako indray
Hasambarana ho ahy
Fihiniko ho mandrakizay
Dia tamana ianao ka hiverina indray
Ho ahy ianao f’aza miahiahy


Jereo mampitsangam-bolo ahy ianao
Aleo haka hafanana any aminao
Ianao ity mampisavoana ny ao amiko ao
He ianao avia aty akaikiko indray


Vao nandramako…


·