Hafatra ho an'i neny

Hasly Hasminah

Hafatra ho an’i neny



  1. Hafatra ho anao ity ry neny
    Avy amin’ny zanakao izay mbola kely
    Henoy tsara, henoy tsara daholo izay lazainy
    Tsy mbola manam-bola anie izahay
    Tsy mbola manan-javatra homena
    Fa ny tsara indrindra izay atolotray
    Dia ny fahendrena


Ref.
Tiako ianao ry neny
Tiako ombieny ombieny
Ny fitiavako anao
Tena vokatry ny fo
Fitiavana tsy ritra
Tsy mba voavidim-bola
Ka ny azoko hatao dia:
Mivavaka ho anao



  1. Ity ny tonon-kira azo hatao tononkalo
    Atolotro ho anao ity ry neniko malala
    Raiso ka ataovy fahatsiarovana maharitra
    Ny teny izay hambara
    Tsy hoe mampanantena fahendrena tsy ho avy
    Ka rahampitso izahay dia haditrabe sahady
    Nefa ho ento am-bavaka mba tsy ho diso lalana
    Ny ankizy sanatria


·