Hafatra

AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe)

Hafatra


1-Ity misy hafatr’iray (‘zay), ambarako aminao
(Fa ny) Ny fiainan’eto an-tany, mazàna mampitomany
F’izao no lazaiko aminao (fa), Jesosy irery ihany
No manafak’ireo sento sy ireo alahelo


Ref:
(Noho izany) Tsy sitrakin’i Tompo ianao ry ory fo, itomany sy alahelo,
(Alahelo) Fa mahereza ary matanjaha ianao
Aza manahy fa Jehovah Andriamanitra dia tsy handao anao izany


2-Mandalo ny fiainan’an-tany (ka), ho levona izany
(Koa) Miambena mivavaha, fa maro ny fahavalo
F’izao no lazaiko aminao (fa), Jesosy irery ihany
No fiarovana ho anao amin’ny andro fahoriana


Ref:
(Noho izany) Tsy sitrakin’i Tompo ianao ry ory fo, itomany sy alahelo,
(Alahelo) Fa mahereza ary matanjaha ianao
Aza manahy fa Jehovah Andriamanitra dia tsy handao anao izany


·