HAFALIANA

Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)

HAFALIANA


Hafaliana sy haravoana
No injao mameno ny ao am-po
Fa tanteraka tokoa ny faniriana
Ka mameno ny ao am-po ny fifalianay
Satria ity ilay andro iray
Efa nandrasana hatrizay


Tsy mba takatry ny saina
Ary koa tsy hay lazaina
Ny fahasoavana efa azonay
Hatramin’izay ka ho mandrakizay


Mifalia sy mihobia
Asandrato mafy re ny feo
Ka ny hira fiderana no asandratray
Indro atolotra ho anao ry Andriamanitray
Satria ity ilay andro iray
Efa nandrasana hatrizay


Tsy mba takatry ny saina
Ary koa tsy hay lazaina
Ny fahasoavana efa azonay
Hatramin’izay ka ho mandrakizay


·