Hafa ny taloha

Tanora Masina Itaosy

Hafa ny taloha


Androany aho tonga saina ihany raha nanontany
Tomany ve no ho asetriko izany fianana an-tany ?
Ny omaly haiko ihany e ny nihafarany
Dia handany andro hiondrika eto ihany fa hoe ambany


Jesosy anefa niteny hoe: “Aza manahy fa Izaho dia mandre”


Ka anio e, hifonako avokoa
Ireo izay tsy finoako namatotra ahy mafy taloha
Ho fadiako e, ny hamoy fo
Satria ny Jesosiko no miasa loha, misahirana amiko


Ho anao izay mbola gejain’izao fiainana izao
Injao mandona ka mba vahao Ilay tsy mandao
Ialao ny tahotrao รด, f’Izy no ao
Andao fa miandry ny anjaranao, fiainam-baovao


Jesosy mantsy raha manome dia fiainana sady be dia be


Haizin’io e, dia mbola hisava ihany
K’aza mitomany fa fianana izany, mirosoa hatrany
Ka valio hoe :“HAFA NY TALOHA”,
Satria ny Jesosiko no miasa loha, misahirana amiko


TANORA MASINA Itaosy
A/C : LovaN


·