HADINONY IANAO

Zo Ryan

HADINONY IANAO


Rehefa nandeha teny ny volana sy ny taona
Ny ratram-pony navelanao efa resin’ny fotoana
Ilay hira noforoniko hoe MIHEVERA IANAO
Nanadinoany anao


Nofy ratsy sisa ny azy ,
ireo niainany taloha efa nanjary vazivazy
fiainam-baovao indray izao no iainany amin’izao
HADINONY IANAO


Refrain :
Na dia narary hono izy e
Lasa hery ho azy nananganany ny hoavy
Sitrana ihany ilay fony
Na dia noratrainao aza


Sendra ny tiany izy rehefa nampijalinao
ilay fiainany nangidy niova ho mamy ankehitriny
nahita ny anjarany izy na dia nilaozanao
solonao vaovao ,Tsy hoatra
Tantara sisa ny anareo
Fa niova hafaliana ireo jaly sy toreo
fiainam-baovao indray izao no iainany amin’izao
HADINONY IANAO


Refrain :
Na dia narary hono izy e…


INTERLUDE ……..Musique……..


Nofy ratsy sisa ny azy …..


Refrain :
Na dia narary hono izy e….


Zo Ryan


·