Gasy tsara

Fy Rasolofoniaina

Gasy tsara


Ny taniko, mamiko tsy foiko
Tsy kajiako fa lotoiko, ny taniko


Ireo bibiko, lazaiko fa lalaiko
Tsy tsaboiko fa vonoiko, ireo bibiko


Ireo alako, ilaiko fa kapaiko
Tsy koloiko fa doroiko, ireo alako


Raha toa ananako ny harena f’izaho adala
Dia ho foana tsy hisy ho tavela ireo lova tsara


Ampy izay, ry mpiara miaina aoka re ho tonga saina
Ts’isy hoe adala ka ny efa simba no mbola simbaina
F’izay hafafy ihany anie no ho jinjaina, ampy izay
Ampy izay, ry mpanonofy mitsangana am-parafara
Ry mahalala ampianaro ny ireo afara
Dia ho feno gasy tsara i Gasikara, Gasikara


Ireo havako, tiako fa tsy ampiako
Tsy zakaiko fa fosaiko, ireo havako


Ireo namako, sangiako sy ifaliako
Fa ompaiko sy ambakaiko, ireo namako


Ireo fombako, tantaraiko sy hiraiko
Fa simbaiko sy fafaiko, ireo fombako


Raha toa ananako ny harena f’izaho adala
Dia ho foana tsy hisy ho tavela ireo lova tsara


Ampy izay, ry mpiara miaina aoka re ho tonga saina
Ts’isy hoe adala ka ny efa simba no mbola simbaina
F’izay hafafy ihany anie no ho jinjaina, ampy izay
Ampy izay, ry mpanonofy mitsangana am-parafara
Ry mahalala ampianaro ny ireo afara
Dia ho feno gasy tsara i Gasikara, Gasikara


Aoka ho feno gasy tsara i Gasikara
Aoka ho feno gasy tsara i Gasikara, Gasikara


·