Gasikarako
Ravelo Jean Baptiste (Rakotozanany Stanislas)
Gasikarako
Gasikarako nosy sambatra
Tiako ianao, fa hany anjarako
Ianao no heriko sy aiko koa
Ka ho ela velona e ianao ry Gasikarako
Gasikarako nosy sambatra
Tiako ianao, fa hany anjarako
Ianao no heriko sy aiko koa
Ka ho ela velona e ianao ry Gasikarako
Nosy sambatra, nosiko
Nosy mena, nosiko
Nosy maitso,
Iantsoana anao izany ry Gasikarako
Ka ho tadidiako tahaka ny anarako
Nosy lehibe, nosiko
Tsara tarehy, nosiko
Mampirehareha
Ka tsy ho haiko hadinoana
Nosinay ianao ry Gasikara
Nosy tiana sady nosy mamy
Hira kanto no hasandratray hatrany
Ho ela velona ianao ry Gasikarako
Nosy sambatra, nosiko
Nosy mena, nosiko
Nosy maitso,
Iantsoana anao izany ry Gasikarako
Ka ho tadidiako tahaka ny anarako
Nosy lehibe, nosiko
Tsara tarehy, nosiko
Mampirehareha
Ka tsy ho haiko hadinoana
Gasikarako nosy sambatra
Nosy tiana sady nosy mamy
Na izaho na ianao dia miara-miantso
Ho ela velona e, ianao, ry Gasikarako