Gasikarako

Ny Ambasadôrà

Gasikarako


1- Teto no nahitako ny masoandron’ny fiainako
Teto no nofidian’Ilay Ray ho fonenako
Koa tsaroako n’aiza n’aiza e, ho vetsoiko ao anaty
“Lay Gasikara mamiko


Refrain:
Tiako foana ianao na manana na ory
Tsy misy toa anao ry Gasikarako
Ny vavaka atao hoe hotahiana anie ianao
Hiadana ny taniko


2- Maro ny fahavalo mitady hamotika
Aoka tsy himalo na koa hilofika
Fa hiaro hatrany hatrany ny hatsarana hananan’ilay
Tany izay hiraisana


3- Ndao hiaraka, hamerina indray
Ny fihavanana izay nampikambana
Koa arovy sy tandrovy ny fifankatiavana
F’ho sambatra izaho sy ianao


·