Gasikara Taninay
Antsan'i Fenomanana
Gasikara Taninay
1-Ny fihavanana nampiray hina
Ny finoana ilay nahary e
Nosandaina ny fitiavan-tena
Hanangonan-karena
Hanjakan’ny fahalovana ity taninay e
Norobaina ny hasin’ity Gasikara e
Refrain:
Mba vonjeo taninay Zanahary fa marary e
Mba vonjeo taninay Zanahary fa mijaly e
2-Ireo manantena, matoky sy mino
Hamorony Fo madio
Mba ho tonga fanasin’ny tany
Ary koa ho fahazavana
Ka hanjaka eo anivonay ny teninao e
Ary ho velona ao aminao Gasikara e
Antsan’i Fenomanana 16 FĂ©vrier 2015
A/C : RANDRIANARIJAONA Henri
Album 5 " Hihira ho anao"