Galeoka

Majeur 7

Galeoka

Lehe olo avy ko miditsa anaty bar
Sady manondro ro manontany aia re no tsara
Mafanafana ve ro hatao?
Ko ina ro soa?
Andao nama hisotro galeoka
Andao ary moa

Aho e te hisotro galeoka e
Io e ro ampy sady mba takatakatsy ny vola
Andao e lehe hisotro galeoka e
Io ro malaza izao
Sotroan’ona

Na toaka hafa na zana-tany na ambodivoara
Samy mahery, sady manimba, tsa mahatsara
Na ilokalokana fa hoe ody nara, hihinana tsaky
Tena mandoro sy mankarary, manimba ny aty

Aza misotro galeoka e
Satria poizina manorotoro manimba ny fo
Tandremo e lehe hisotro galeoka e
Lehe te hisotro ko dia raha hafa izay ro sotro

Agnao e ja misotro galeoka e

Satria poizina manimbazimba mafy ny aigna
Tandremo e lehe hisotro galeoka e
Sy alina ny andro ko malemilemy sy koa noziraina

Agnao e ja misotro galeoka e
Satria poizina manimbazimba mafy ny aigna
Tandremo e lehe hisotro galeoka e
Sy alina ny andro ko malemilemy soa koa noziraina

·