Fony isika roa
Raozin'ny paradisa
Fony isika roa
Fony isika roa vao nifankatia
Dia nilaza ianao fa hoe: tena tia
Nefa indrisy fa taty ao aoriana
Dia sahinao ny namadika ny dina
Tsy nampoiziko ianao
No sahy hahavita izao
Hamono ilay fanekena
Izay natao
Olon-kafa indray
No eo anilanao
Hionona aho satria:
Voafitakao
REF : O ry tiako!
O ry malalako!
O ry tiako!
O ry malalako!
Dia sahinao ve?
Dia sahinao ve ?
Ny handositra ny fitiavako
Hionona aho satria :
Voafitakao
O ry tiako!
O ry malalako!
Tsy anjarako
Eny tsy anjarako
Ny hiara-dia aminao
Fa veloma masina
No apetrako antananao
Mahatsiaro ré
Veloma masina
No apetrako antananao
Mahatsiaro ré
Veloma masina
No apetrako antananao ( REF X 2 )