Fony Aho

Groupe Lalao

Fony Aho




  1. Fony aho tsy nahalala anao Jesô
    Dia nirenireny foana teny aho
    Ireo ditra sy lalao nameno fo
    ‘Zay namatotra ahy, nangeja mafy koa
    Kanefa tampoka,
    Dia indro Ianao Jesô nisintona ahy
    Nivaha avokoa ireo fatorako ireo
    Satria teo Ianao.




  2. Raha nandroso aho nanara-dia Anao
    Dia naneso ireo sakaizako taloha
    Raha nitraka aho nibanjina Anao
    Dia nanenjika ahy ireo fahavaloko
    Ankehitriny tsy matahotra aho Jesô
    fa eo Ianao
    Ankehitriny vonona aho izao Jesô
    mba ho Anao




  3. Raha ho avy eny an-danitra eny Ianao
    Ka hotronin’ny Anjely marobe
    ‘Zaho kosa ho vonona hitsena Anao
    Ka ho sambatra aho miaraka Aminao
    Jesôsy, Ianao irery no azo antoka
    Hamonjy ahy
    Tsy andriko intsony ny ho tonga ary
    Faingàna Ianao.




A/C : AMS


·