Fon'i Jesoa
APF Amboaram-Peo Fiderana ekar anosizato andrefana
Fon’i Jesoa
Fiv :
Ry Fo Masin’i Jesoa
Vontom-pitiavana
Ny tenanao manontolo
Nafoinao ho anay
Fahafatesan-drenitantely
Maty namela mamy
Fa resin’ny fitiavanao
Ilay fahafatesana
1- Fo maratra no sisa tazana
Fa voalefona ilay toeran’ny fitiavana
Rà sy rano kooa niloatra niraraka
Ankoatra ireo ratran’ny kapoka
Tsilo ary fantsika
2- Fo voaloaka no sisa taratra
Teo i maria sy Joany nibanjina
F’io ilay fo nangoraka niantra
Nanasitrana rofy maro ary nampianatra
Fo mitempo fitia
3- Fo voasedra no sisa misokatra
Fa mitondra ho antsika
Ny vonjy mahasoa
Manampy antsika
Hanantena fiainam-bao
Ka misaotra anao izahy noho ny fitiavanao
Saotra dera ho Anao
Ending :
Jesoa ô zoky tia
Fon’i Jesoa no masina
Herezo re ‘zahay
Ianao no taratray
Hifankatia ‘zahay