Fo vaovao

AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe)

Fo vaovao

1-Miondrika ianao mila ho vaky izany loha
Ny fiainanao toa hampamohy fo
Nefa mitrakà ka handrandrao ny lanitra (lanitra)
Hamonjy anao ilay Andriamanitra (hamonjy anao) izao

Ref:
Ny fonao ho vaovao no andrasany aminao
Ny Tompo tsy mandao fa miandry foana anao
Raiso ho mpanjakanao (raiso Izy anio ho mpanjakan’ny finao)
Fa Izy hanome ilay fo vaovao

2-Tanam-pitiavan’ilay Jesosy izao
Mitsotra mba hanavotra anao (hanavotra)
Mitsotra mba handovanao ny lanitra (lanitra)

·