Fo mitonantonana

Bessa

Fo mitonantonana


Maniry kintana
Ty fo voafintana
Tsy afa-misintaka
Mangitakitaka


Ny saina no reraka
Satria miezaka
Ny tsy ho potika
Kanjo milofika


Mitonantonana
Tsy azo ifonana
Ny fidoboky ny fo
Tsy mahatsiaro ny taloha


Feno korontana
Sy haromotana
Nanindroa toa efa fay
Ny tratra mila ho may


Nangina velona
Lasa lavenona
Lasa ny avelonao
Lasa nenina


Mitonantonana
Tsy azo ifonana
Ny fidoboky ny fo
Tsy mahatsiaro ny taloha


Feno korontana
Sy haromotana
Nanindroa toa efa fay
Ny tratra mila ho may


Manahy aho tsisy fo
Ravahan’ny atidoha
He sambatra toy izay
Tsy ho lao indray


·