Fo mitempo iray

Bapasy

Fo mitempo iray


(Mbôssa) :
Niova tontolo vaovao androany
Ilay fotoana maro nihaonantsika roa
(Richard) :
Ilay nofinofintsika omaly
Tanteraka avokoa
(Bapasy) :
Ilay andro iray, tsy ho hadinoko
Tamin’ny fiainantsika roa
Tsaroana foana ao an-doha (x 2)


Refrain (x 2) :
Fo mitempo iray, mitambatra ho iray
Hiaraka mandrakizay
Indreto isika roa, tena vonona tokoa
Hitady ny soa


(Mbôssa) :
Tena andro sarobidy tokoa
Dia tsy miverina in-droa
(Richard) :
Hizarana ny hafaliana
Ho ahy sy ho anao ry tiana
(Bapasy) :
Ilay andro iray, tsy ho adinoko
Tamin’ny fiainantsika roa
Tsaroana foana ao an-doha (x2)


Refrain:
Fo mitempo iray, mitambatra ho iray
Hiaraka mandrakizay
Indreto isika roa, tena vonona tokoa
Hitady ny soa (x2)


(Mbôssa):
Fa na iza hanaratsy, na hampisaraka
(Richard):
Isika roa tsy mba miady
Vao mainka mitambatra
(Bapasy):
Ho sasa-poana avokoa, ireo mpialona
(Mbôssa):
Fa mampifatotra tokoa ny antsika roa


Refrain:
Fo mitempo iray, mitambatra ho iray
Hiaraka mandrakizay
Indreto isika roa, tena vonona tokoa (tena vonona aho)
Hitady ny soa
Fo mitempo iray, mitambatra ho iray
Hiaraka mandrakizay
Indreto isika roa, tena vonona tokoa (tena vonona aho)
Hitady ny soa
Indreto isika roa, tena vonona tokoa (tena vonona aho)
Hitady ny soa
Indreto isika roa, tena vonona tokoa (tena vonona aho)
Hitady ny soa, ou, ou


·