FO MADIO
FEON'IFIALOFANA
FO MADIO
FO MADIO
Raha hihatsara ivelan-tsihy ô !
Moa ve mba fantatrao fa :
Mamitaka ny hafa
Izato teny maminao, nefa :
Ozona sy fanesoana
No anatin’ny fonao
Izy babon’ilay tsiky
Tsy mahatsapa akory
Ny ao anatinao
Fa anio Jesosy tia,
Te-hanadio Anao
Ka ho fo feno fitia
No hovoleny anatinao ka :
Fo madio malemy fanahy
Fo mitsotra tsy manda
Fo madio mahitsy koa
Fo mahay manisy soa
Raha hihatsara ivelan-tsihy ô !
Moa ve mba fantatrao fa :
Mamitaka ny Tompo
Izato toriteninao, nefa :
Fosafosa fiandaniana
No mameno ny andronao
Mitari-bato vilam-bava
Toa manohitra Ilay fivavakao
Fa anio Jesosy tia,
Te-hanadio Anao
Ka ho fo feno fitia
No hovoleny anatinao ka :
Fo madio malemy fanahy
Fo mitsotra tsy manda
Fo madio mahitsy koa
Fo mahay manisy soa
A/C : Rina RAJAONARISON F.T.