Fo faly
Chorale Taratr'i Maria
Fo faly
1- Indro ny mofo atolotray,
ovao ho vatan’i Jesoa
Hitondra aina vao ho anay,
Mba raiso Tompo, ho famonjena anay
Fo faly e e no anolorana izany aminao e!
Mba raiso Tompo ô ho sorona Ankasitrahanao
2-Indro ny divay atolotray,
ovao ho ran’i Jesoa
Hampihavana anay
Mba raiso Tompo hihavanana Aminao
3-Ny fiainanay atolotray
miaraka amin’ny soron’i Jesoa
Hitondra famonjena ho anay
Mba raiso Tompo ho Sorona ankasitrahanao